| Précinéma |
mialohan'ny sarimihetsika |
| Pour désigner les recherches qui précèdent l’invention des premiers films de cinéma, et qui n'utilisent pas le film souple de celluloïd, on parle de précinéma. |
Ny fikarohana atao alohan’ny hanatanterahana sarimihetsika voalohany, ary tsy nampiasa ilay sarimihetsika malefaka vita amin’ny celluloïd, dia atao hoe mialohan'ny sarimihetsika |
| Et la date de 1888 peut être retenue comme séparation entre le précinéma et le cinéma, l'invention du film souple en celluloïd par John Carbutt et sa commercialisation par l'industriel George Eastman en 1888 sous la forme de rouleaux de 70 mm de large étant la condition sine qua non pour amorcer un spectacle qui allait devenir une industrie culturelle. |
Ny taona 1888 dia azo raisina ho fizarazarana eo amin’ny mialohan'ny sarimihetsika sy ny sarimihetsika, satria tamin’io no namoronana ny sarimihetsika malefaka vita amin’ny celluloïd nataon’i John Carbutt, ary navoakan’ny mpandraharaha George Eastman tamin’ny endrika horonana 70 mm ny sakany. Io zava-baovao io no fepetra tsy maintsy ilaina mba hanombohana ilay seho izay lasa indostria ara-kolontsaina tatỳ aoriana |
| Certes, Reynaud utilisait un autre matériau, de 70 mm de large fait de carrés de gélatine indépendants pour plus facilement les colorier et les repérer l'un par rapport à l'autre par transparence, mais ces carrés étaient assemblés et formaient une bande unique qui se déroulait d'une bobine à l'autre. |
Marina fa Reynaud dia nampiasa akora hafa, 70 mm ny sakany, vita amin’ny takelaka gélatine misaraka mba hahamora ny fanolorana loko sy ny fandraiketana azy tsirairay ho mangarahara, saingy ireo takelaka ireo dia nampifandraisina ka lasa fehin-taratasy tokana izay nivalona avy tamin’ny bobina iray ho any amin’ny bobina hafa. |
| Certains historiens du cinéma, comme l'Américain Charles Musser, n'ont pas la même définition du précinéma, et classent Edison et Reynaud dans cette catégorie, au motif que le mode de visionnement d'Edison n'était pas la projection, et que la pellicule de Reynaud n'était pas la pellicule 35 mm que nous connaissons encore aujourd'hui. |
Misy mpahay tantaran’ny sinema, toa an'i Amerikanina Charles Musser, izay manana famaritana hafa ny mialohan'ny sarimihetsika. Ao anatin’izany sokajy izany no anasokajiana an’i Edison sy Reynaud, satria tsy fampisehoana amin’ny alalan’ny famoahana sary amin’ny efijery no fomba nampiasain’i Edison, ary tsy ilay pellicule 35 mm izay mbola fantatsika ankehitriny no nampiasain’i Reynaud |
| Mais, si l'on se base sur ces remarques, la pellicule 35 mm à perforations rondes à raison d'un seul jeu par photogramme des frères Lumière n'était pas non plus la pellicule standard de cinéma (à deux jeux de quatre perforations rectangulaires par photogramme). |
Kanefa, raha ifotorana ireo fanamarihana ireo, ny pellicule 35 mm misy lavaka boribory, iray isaky ny sary nalain’ny rahalahy Lumière, dia tsy ilay pellicule fenitra fampiasaina amin’ny sarimihetsika akory (izay roa andiany, misy lavaka efatra mahitsizoro isaky ny sary) |
| Ce qui conduirait de façon absurde à mettre l'invention des frères Lumière dans le précinéma. |
Izany dia mety hitarika amin’ny fomba tsy mitombina hoe ny zava-baovao nataon’ny rahalahy Lumière dia tafiditra ao anatin’ny mialohan'ny sarimihetsika |